Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana : Tompon’andraikitra ny tsirairay
Manana anjara toerana eo amin’ny fampandrosoana ny isan-tokantrano sy ny fari-piainany. Ho atomboka ao amin’ny faritra Sofia ny fanentanana amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana amin’ny alalan’ilay hetsika « Vaiavy Mihavotra » mba hisian’ny fandrosoana eto amintsika.
« Miankina betsaka amin’ny fari-piainan’ny mponina ny fandrosoana ny firenena iray ka atomboka amin’ny famerana ny isa tokony ho zakan’ny tokantrano iray izany » hoy i Soafilira Princia, Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. « Betsaka tokoa amin’izao ny olona faly hiteraka kanefa tsy mifanaraka amin’izay akory ny fari-piainany hany ka mijaly ny ray aman-dreny amin’ny fitadiavana, ny ankizy ihany koa dia tsy afaka misitra ara-dalàna ny zony feno » hoy i Dimby, mpiaro ny zon’ny zaza.
« Harena ny zanaka hoy ny oha-pitenenana Malagasy, tsy ny fahamaroany no tena maha harena azy fa ny fahitantsika ray aman-dreny fa sambatra sy tsy ory ny zanantsika ary izy ireo no tena loharanom-pahasambarantsika » hoy i Lafatra, mpikabary. Nanolotra lelavola ho an’ny fikambanana vitsivitsy miahy ny mponina ny Ministra nandritra ny fandalovany tao Sofia.
Tsy ny fanjakana anefa no tompon’andraikitra voalohany ho an’ny ankohonantsika fa isika ihany.
Nicole Rafalimananjara
