ActualitésTsidika

Kianja Barea : Efa hifarana ny fanamboarana

Hifarana ny faha-30 novambra ho avy izao ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny fanamboarana ny kianjan’ny Barea. Tsiahivina fa mitentina 77 387 000 dolara ny teti-bidy nanaovana ny kianjan’ny Barea ary misy antoka herintaona arahina « chèque de garantie » 5 isan-jato.

« Miisa 16 ny antokon’asa ka ny 7,99% na 6 tapitrisa dolara mahery sisa no vola aloha amin’ny orin’asa Sinoa aorinan’ny fampihaingoana ny « gradin » sy ny fanajariana ny ivelany toy ny « stade couvert » mba hifanaraka ny fenitry ny kianja » hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tetikasa tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa. « Voaloa ara-dalàna sy manaraka ny fifanarahana ny vola tamin’ny fanamboarana » hoy hatrany izy.

« Ho vita tsara amin’izay izay ity kianja ity ka anjarantsika eto an-toerana ny mikolokolo azy noho izy fananana iombonana, tsy hisy intsony ny fioharam-pefy toy ireny tamin’ny lalao Barea farany teo ireny » hoy i Benjamin, mpilalao baolina kitra. « Enga anie hitondra soa sy fahombiazana eto amin’ny firenena ity kianja ity satria toa nandamoaka avokoa ny lalao nandraisantsika anjara tao amin’ity kianja ity » hoy i Alfred, mpankafy baolina kitra. Fananana iombonana tokoa ity kianjan’i Barea ity na dia ny vahiny aza no nandray an-tanana ny fanamboarana azy, saingy eto amin’ny firenentsika izy ary antsika.

Mila mahay manaja ny fananan’ny firenena ny vahoaka ao aminy fa tsy sanatria hametraka izany ho toy ny tsy nisasarana ka faly hamotika fotsiny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire