Brésil : Fanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny hery famoretana ataon’ny polisy
Aman’arivony ireo nilatsaka an-dalam-be tany Brésil ny alakamisy 13 may teo nanoloana ny fanavakavahana atao amin’ny olona safiotra sy mainty hoditra. Ity andro ity izay hahatsiarovan’izy ireo ny fanafoanana ny fanandevozana ny taona 1 888 tany an-toerana. Nilatsahana an-dalambe ho fanampin’izay ihany koa ny fanoherana ny hery famoretana ataon’ireo mpitandro filaminana taorian’ny nahafatesan’olona 28 tany Rio de Janiero herinandro lasa izay nanoherana ny fifohana zava-mahadomelina. Nilaza i Dara Santana isan’ireo mpitolona fa ny mainty hoditra no tena betsaka maty tamin’ny fitifirana ireny, ny mainty hoditra no betsaka tsy an’asa any Brésil, ny mainty hoditra no vitsy indrindra no natao vaksiny, politika fanavakahana izany. Aleo mitovy hatrany ny zo fa tsy hijerena volon-koditra hoy indray ny mpitolona hafa, Alexandro de Santos Visosa. Maherin’ny 500 ny olona nanatanteraka izany izay nilanja sora-be nanerana ny renivohitra.
