ActualitésTsidika

Avaradrano : Nahatratra 82,60% ny tahan’ny afaka fanadinana CEPE

Faritra maromaro nanerana ny nosy no efa namoaka ny valin’ny fanadinana CEPE 2022. Nahatratra 82,60 % ny taham-pahafahana ho an’ireo mpiadina teto Avaradrano.

« 9 037 no afaka fanadinana teto Avaradrano raha toa ka 10 941 no mpiadina. Maha velom-bolo tokoa ny vokatra. Isan’ireo mamiratra hatrany ny disitrika Antananarivo Avaradrano » hoy ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Avaradrano. « Mahafinaritra ny ezaka ataon’ny ankizy sy ny mpampianatra. Hirariana hitombo hatrany izany mba hanandratra avo ny tanàna » hoy i Feno, mponina eto Avaradrano.

Isan’ireo manana taha ambony amin’ny taham-pahafahana CEPE 2022 tokoa ny Distrika Avaradrano. Tsara raha tohizana hatrany ny ezaka. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire