Dépêches

Fahasalamana ara-pananahana : Mila ampiakarina ny tahan’ny vola ampiasaina

28 Jona, 08h30. Tafatsangana ny tetikasa misahana ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana ary ny VIH /SIDA (SDSR) eo anivon’ny vondrona parlementeran’ny SADC mba ho fanatanterahana ny lalàna modely mifandraika amin’ny fanafoanana ny fampanambadiana ny ankizy, ny fiarovana ny ankizy manambady, ny fanomezan-danja ny vehivavy ary ny fisitrahana ny fahasalamana ara-pananahana. Tanjona ao anatin’ny tetikasa ny hiara-hiasa amin’ireo solombavam-bahoaka mba hanampian’izy ireo ny vondrona SADC handresy lahatra ny eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hampiakatra ny tahan’ny vola ampiasaina amin’ny resaka fahasalamana indrindra ny fahasalamana ara-pananahana.

Laisser un commentaire