Toekarena maitso : Natomboka omaly ny « Africa Green Economy Conference »
28 Jona, 07h30. Natomboka omaly 27 Jona 2022 tamin’ny alalan’ny fihaonana hampitain-davitra ny Fihaonam-be mahakasika ny Toekarena Maitso ho an’ny Afrika na « Africa Green Economy Conference ». Ho dinihina hatramin’ny Alakamisy 30 Jona arak’izany ireo mety ho vahaolana ara-toekarena hoentina ho an’ny Kaontinanta manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. Nandray anjara fitenenana tamin’izany fanokafana izany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Malagasy, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Fotoana nahafahany niresaka ny momba an’i Madagasikara sy ny ezaka izay atao iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro izany.
