Dépêches

Fampianarana ambony: Hijanona ny fianarana raha tsy voaloha ny tambin-karama  sy ny karaman’ny mpampianatra

Dépêche 13 juin, 14h, Hanakatona ny fianarana rehetra eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra aorian’ny fetim-pirenena. Mbola miandry ny fandoavana ny karamany sy ny tambin-karama anefa izy ireo mialohan’io 26 jona io ka raha tsy voaloha ao anatin’izany ireo vola dia mihidy ny Oniversite. Maneho ny alahelony mahakasika ny tsy fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampianarana ny avy anivon’ny SECES. Ankoatra irezo karama anefa dia mbola mitohy hatrany ny fangatahana maro be mbola tsy nivaly hatramin’izao

Laisser un commentaire