Asa fanaovan-gazety: Handrafitra boky torolàlana na “Référentiel” ny Ministeran’ny serasera sy ny Kolontsaina (MSK)
19 Janoary, 11h00. Tsy mifanaraka amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera amin’ny haino aman-jery ny fiofanana omen’ireo sekoly manana lalam-piofanana mifanaraka amin’izany raha ny fanadihadian’ny MSK. Maro ihany koa ireo orinasa mampiasa olona tsy nandalo io lalam-piofanana io hoy izy ireo ka lasa mihen-danja ny kalitaon’ny asa fanaovan-gazety.
Manoloana izany dia manana tetik’asa handrafitra boky torolàlana ho an’ny fanofanana mpanao gazety na “projet d’élaboration de référentiel de formation en journalisme et en communication médiatisée” ny MSK. Entina hanampiana ny sekoly sy ny mpampianatra na mampiofana hampifandray ny filan’ny tsenan’ny asa amin’ny fampiofanana na fampianarana izay omeny izany, mba ahatongavana amin’ilay hoe « adéquation des formations aux besoins du marché du travail » .
