Dépêches

Toetr’andro : Mety ihena ny rivo-doza ahiana ho tonga aty Madagasikara

Dépêche 04 janvier, 14h, Nanambara ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro fa mbola tsy hisy ny rivo-doza mety ho tonga eto Madagasikara ao anatin’ny 15 andro voalohany amin’ity taona 2023 ity. Arakan y vinavina ihany koa mety hiena ny rivo-doza amin’ity taom-pahavaratra 2022-2023 ity. Raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa dia mety ho roa ihany ny rivo-doza handalo eto Madagasikara. Mila mailo hatrany anefa satria na iray fotsiny aza ny rivo-doza dia mety hitondra fahavoazana foana izany.

Laisser un commentaire