Fitaterana: Miodina an-dalana na miova mihitsy ny lalan’ireo fiara mpitatitra mandalo an’Analakely
03 Oktobra, Vokatry ny fisian’ny fihetsiketsehana eo Ambohijatovo sy Analakely amin’izao fotoana dia miova lalana avokoa ireo fiara mpitatitra mampiasa iny lalana lalana. Saika miova lalana na miodina ety amin’ny lalana Antsakaviro, Antanimena ireo mpitatitra. Isan’izany zotra miova lalana izany ny zotra 105, 119, sns. Mitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana eny an-toerana araka izany.
