Fiainam-pirenena: Mitohy ny hetsik’ireo kandida ho filoham-pirenena 11
03 Oktobra, Mitohy ny hetsika izay hifandrimbonan’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 11 anio. Manomboka amin’ny 11 ora atoandro izany, eo Ambohijatovo ny fotoana nifanomezan’izy ireo. Manoloana izany, hatramin’ny maraina teo dia nahitana mpitandro filaminana teny an-toerana, mitohana ihany koa ny lalana eny amin’ny manodidina an’Ambohijatovo eny izay efa nanomboka tamin’ny 08 ora maraina teo.
