Halatra maso : Atao inona tokoa ?
17 May, 13h00. Natetitetika ny halatra maso tamin’ny faritra maro teto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny taona. Inona tokoa nefa no tena ilàna azy ireny ?
Raha ny fantatra dia manodidina ny 5 000 dollars ny vidin’ny maso ao amin’ny tontolon’ny « trafic d’organe ». Famindrana taova (transplantation) no tena antony hangalaran’ny olona azy, marihina mantsy fa ny famindrana maso dia tsy mila fifanentanana (compatibilité) eo amin’ny mpanome sy ny mpandray toy ny taova hafa.
Heloka be vava kosa ny fangalarana taova eran’izao tontolo izao. I Iran irery ihany no manana tsena ara-dalàna voatokana amin’ny famarotana taova.
