Dépêches

Hetsika Paka Soa : Mandeha ny fanandramana ny « radar »

Dépêche 07 avril, 12h, Ao anatin’ny hetsika « Paka Soa » izay tanterahin’ireo mpitandro filaminana dia efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanandramana ny « radar ». Hampiasaina indrindra izany hijerena ny hafainganam-pandehan’ny fira sy ny moto. Natao indrindra izany hiarovana amin’ny loza mety hitranga mandritra izao fety izao. Nifanindran-dalana tamin’izany dia nisy ihany koa ny fijerena ny tahan’ny alikaola amin’ny vatana na ny « alcootest » nandritra izao hetsika izao. Marihina fa tsy tokony hioatra ny 40km/h ny hafainganam-pandeha an-tanana ary 75km/h izany eny amin’ny lalam-pirenena.

Laisser un commentaire