Imerintsiatosika : Hohatsaraina ny fitaovana fitotoam-bary eny an-toerana
Anisan’ny toerana manampy ny renivohitra amin’ny famatsiana vary ny eny Imeriantsitosika. Manodidina eo amin’ny 150 taonina ny vary mivoaka avy any hamatsiana ny tsena eto Antananarivo. Nidina teny an-toerana noho izany ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, nijery akaiky ireo milina ampiasan’ny olona hitotoana vary. « Tsy maintsy ampiana ny mpandraharaha amin’ny fampivoarana sehatr’asany ahitany tombontsoa bebe kokoa ary entina hamatsiana ny tsena ho an’ny mpanjifa », hoy i Edgard Razafindravahy, Minisitran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny fanjifana.
Betsaka ny toerana fitotoam-bary no manana olana ara-pitaovana. Miteraka fatiantoka ho an’ny olona mitoto vary izany satria raha ohatra hoe 100 kg ny vary akotry dia 60kg ihany sisa azo raha misy olana ilay milina ampiasana. « Manimba ny asanay ny tsy fahalavorarin’ny fitaovana hampisanay. Misy ny milina izay tena ratsy kanefa tsy maintsy iny ihany no ampiasana hitotoana ny varin’olona. Mitaraina , arak’izany ireo olona izay mitoto vary eto aminay. Ho an’ny olona mitoto vary hoanina izany, lasa tsy ampy arakin’ny eritreretin’ny zavatra tonga. Iliana ny fandraisana andraikitra toy izao mba hahafantarana ny zava-misy marina iainan’ny ireny mpandraharaha ireny », hoy Solofo, mpitoto vary.
Olana maro no sedraina amin’ity resaka vary ity eto Madagasikara, indrindra fa eto an-drenivohitra. Ilaina arak’izany ny fitsinjovana ny famahana ny olana izay mahazo ireny mpandraharaha ireny. Tsy vitan’izay ihany anefa fa tokony hampiana ara-pitaovana mihitsy izy ireo mba hananan’ny olona tsirairay tombotsoa avy. Samy manana ny olana daholo mantsy na ny mpitoto na ny mampitoto ka mba tsy hisian’izay fatiantoka izay dia mila jerena akaiky ity sehatra ity. Zava-dehibe ho an’ny malagasy izany vary izany ka tsy tokony ho atao ambanin-javatra velively.
Erwan RAN
