ActualitésTsidika

Sosialy : Hampiana tosika ireo zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo-Atsinanana

Manodidina ny 123 000 eo ho eo ny isan’ireo zaza tratran’ny tsy fanjaraian-tsakafo any amin’ny faritra atsimon’ny Madagasikara raha 160 000 olona no tafiditra ao anatin’izany. Entina hanampiana azy ireo dia miara-miasa amin’ny Programme Alimentaire Mondiale i Madagasikara hanome tosika azy ireo. Maro ny asa ho tanterahina hanatanterahana izany programa izany. Misy ireo vahaolana vonjimaika sy ireo vahaolana maharitra hatolotra hahafahana manatratra ny tanjona amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimon’ny Nosy io.

« Tokantrano miisa 27 000 ao Midongy Atsimo, Befotaka ary Ikongo no hisitraka izany fanampiana izany. Amin’ity iray volana mialoha ity dia hoemna vola mitentina 100 000 ariary isaky ny tokantrano. Hiaraha-miasa amin’ny BNGRC ny fitsinjarana izany fabnampiana izany ka tsy hisy araka izany ny fangalarana izay fahita matetika », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Mponina.

« Hisy tosika ara-tsakafo ho tonga ihany koa ao anatin’ny roa volana manaraka ka hitoby ao amin’ny fanangonana entana ao Manakara izany hiandrasana ny fizarana azy. Ireo tetik’asa maharitra kosa dia ny mahakasika ny fanaomezana sakafo ambony kokoa ho an’ny vehivavy bevohoka sy mampinona. Hampitomboana hatrany ny fampisakafoanana an-tsekoly izay efa natao hatrizay », hoy hatrany ny faanzavana.

Miseho amin’ny endrika mampalahelo ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’io faritra io. Toerana mbola malalaka sady mbola azo hitrandrahana tsara anefa i Manakara ka ny seha-pihariana no tokony hampitomboana any an-toerana. Tsara ny mamokatra tetik’asa ho fanampiana ny mponina any.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire