Toe-karena : Hotanterahina ao amin’ny CCI Ivato ny « Forum national des investissements pour l’émergence de Madagascar »
Dépêche 28 octobre, 11h, Hotanterahina ao amin’ny CCI Ivato ny 28 sy 26 ocotbra izao ity fihaonambe hampivondronana ireo mpandraharaha vahiny sy eto an-toerana ity. Fotoana iray hamaritana ny lalam-piaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana an’ny Madagasikara. Ho laharam-pahamehana amin’izany ny indostria, ny fizahantany, ny fotodrafitrasam-pifandrasiana ary ny fambolena sy ny fiompiana. Hanaovana ny tombana ny asa vita rehetra sy ny asa mbola ho avy hanatanterahana ilay « Plan Emergence Madagascar » ity fotoana ity, izay ho entin’ny filoham-pirenena an-tanana izany. Fotoana iray hitadiavana vahaolana ho fampandrosoana ny firenena amin’ny lafiny rehetra ity fotoana ity ka tsara araraotina.
