Mahajanga : Nahitana entana lany daty maro tao amin’ny toeram-pivarotana maro
Dépêche 27 décembre, 14h, Manamafy ny fitsirihina hatrany ny Ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana mba hiarovana ny olom-pirenena rehetra mandritra izao fety izao. Toeram-pivarotana lehibe iray sy mpamongady miisa 2 no nahatrarana entana lany daty toy ny pate, ny legioma anaty boaty, ny ronono mandry sy ny vatomamay. Misy tamin’ireo entana kosa dia tsy misy daty ka niaraka noraofina daholo izany. Nodorana avy hatrany moa ireo entana lany daty ireo raha vantany vao voaray mba hitsinjovana ny rehetra. Entanina hatrany ny mpivarotra mba hiaro ny mpanjifany satria ireo ihany no antoky ny fidiram-bolan’izy ireo.
