ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Nisy ny fety niarahana tamin’ireo mpanakanto ara-pilazantsara

Nisy ny fampisehoana niarahana tamin’ireo mpanakanto ara-pilazantsara, nentina nanamarihana ny fetin’ny krismasy tao amin’ny kaominina Ambohimanambola, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nampiavaka ny fankalazana ny fety tamin’ity taona ity izany, araka ny voalaza.

“Tsara ny fetin’ny noely izay niseho teto an-toerana. Hisaorana sy hankasitrahana ireo mpitantana ao amin’ny kaominina sy ireo mpikarakara isan-tsokajiny nanome fahafaham-po ho an’ny mponina” hoy I Hery, mponina ao Ambohimanambola.

“Tsy mbola nisy ny fety lehibe nahavory olona tahaka izao. Miandry ny hitohizan’izany ho famalifaliana ny rehetra, indrindra fa amin’ny famaranana ny taona” hoy I Bakoly, mpivarotra eo amin’ny manodidina.

Afa-po ny rehetra nandritra ny seho izany nokarakaraina tao amin’ny kaominina. Marihina moa, fa ny zoma lasa teo dia efa nanomboka ny fikarakarana ny fanomanana izany, izay nahatonga fanovana teo amin’ny fandaminana ny fitaterana mihitsy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire