Autriche : Olona roa no mbola tsy hita noho ny « avalanche »
Nisehoana « avalanche » na fihotsahana « neige » tao Autriche ny 25 desambra teo. Olona am-polony no voatototra tao anatin’izany ka nanatanteraka fikarohana goavana ny mpamonjy voina tao an-toerana ny androan’ny 25 sy 26 desambra teo.
Nianga teny amin’ny havoana 2 700 metatra tao amin’ny toerana fanaovana « ski » tao Lech Zürz ao amin’ny faritanin’i Vorarlberg io fihotsahana io. Olona 8 no nivoaka tsy nisy ratra tamin’io loza io, olona 6 hafa ihany koa no hita saingy nisy ratra maivana. Olona roa hafa kosa no mbola karohana hoy ny tompon’andraikitra Hermann Fercher.
