Vakinakaratra : Tafapetraka ireo mpisitraka ny « titre vert » andiany faharoa
Tafapetraka ireo mpisitraka ny « titre vert » andiany faharoa ao Ambohandranandriana, Antsirabe II. Herinandro vitsy izay no nandraisan’ireo mpisitraka ny « titre vert » andiany voalohany an-tanana ny fotodrafitrasa natokana ho azy ireo tao amin’ny kaominina Andranomanelatra.
« Miisa 39 ireto mpisitraka andiany faharoa ireto. Efa samy miroso amin’ny fampiroboroboana ny tetikasany avy. Efa tafapekatra ankehitriny ireo tanora mpisitraka ny Titre Vert any amin’ny faritra Vakinankaratra » hoy ny tompon’andraikitra ao Vakinankaratra. « Tanjona ny mba ahafahan’ireto tanora mpisitraka ireto mandray anjara feno amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny akora fototra raisin’ireo indostria mpamokatra ronono. Izany dia entina hampiroboroboana ny rojom-pihariana ronono eto Madagasikara » hoy ny avy ao amin’ny Fihariana.
Efa eo am-pamolavolana ny drafitra fanitarana ny tetikasan’ireo mpisitraka ihany koa ny tompon’andraikitra an-toerana ankehitriny. Izany dia mba ahafahan’ireto mpisitraka ireto miompy kisoa sy akoho amam-borona rehefa vonona avokoa ny foto-drafitr’asa ilaina amin’izany.
Nicole Rafalimananjara
