27 Martsa : Andro maneran-tany ho an’ny seho an-tsehatra
Sehatra miroborobo tokoa ny seho an-tsehatra (théâtre) eto amintsika. Miezaka mamelona izany hatrany ao an-tsain’ny tanora ireo olon’ny teatra. Ny 27 martsa no andro maneran-tany natokana ho an’ny seho an-tsehatra.
« Hisy ny seho an-tsehatra ho atao ao amin’ny Tranompokonolona Analakely ny 27 Martsa izao. Hisy ny tantara an-tsehatra izay andraisan’ireo tanora mpilalao an-tsehatra anjara. Tsy misy ny vidim-pidirana fa misy fetrany kosa ny toerana » hoy ny avy ao amin’ny Kompania Miangaly. « Manana ny lanjany ary omena lanja hatrany ny teatra eto amintsika. Sady azo atao asa izy io no fialamboly ihany koa. Ny fidirana amin’ny fikambanana no hitrandrahana tsikelikely ny talenta » hoy i Ando, mpilalao teatra eto Madagasikara.
Manome lanja hatrany ireo mpilalao an-tsehatra ihany koa ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minsiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Tsy vitsy ireo fotodrafitr’asa naorina ho entina hampiroboroboana izany.
Nicole Rafalimananjara
