Fisolokiana avo lenta : manararaotra hatramin’ny olona ambony
Tsy mifidy sarangan’olona intsony ankehitriny ny fakam-panahy fa manatanteraka izany hatramin’ny olona efa manana ny toerany ara-dalàna sy hivelomana tsara ary ambony aza. Amin’ny alalan’ny fanararaotana amin’ny fikarakarana taratasy no hanaovana izany. Kolotsaina tsy afaka firy amin’ny Malagasy ihany koa ny fahalalàna olona hikarakara haingana ny taratasy ka maharoboka antsika amin’ny fanaovana kolikoly raha ilaina izany. Manoloana izany indrindra anefa no tokony hitandreman’ny tsirairay, tsara hatrany raha manaraka ny lalàna sy ny dingana rehetra isika amin’ny fikarakarana izany ialàna amin’ny fisolokiana etsy sy eroa, izay sady mandany fotoana no mahavery vola fotsiny matetika. Isika rahateo efa ao antin’ny vanim-potoana sarotra ka ilaina fitandremana, ny lalàna ihany koa etsy ankilany tsy mamela ny mpanao kolikoly sy ny tsy ara-dalàna ho afa-maina. Manaporofo izany ny fisian’ny lehilahy iray izay tra-tehaky ny polisy ho nisoloky ho akaikin’ny minisitra Hajo Andrianainarivelo, ity lehilahy ity izay voalaza fa mpiara-miasa akaiky amin’ny solombavambahoaka iray. Nentiny nakana vola 10 tapitr’isa ariary tamin’ny resaka tsenambaro-panjakana ny mpandraharaha iray. Tsy nipetra-potsiny anefa io mpandraharaha io ka nanamarina izany teo anivon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Teo no nahatratrarana ny asa ratsin’ity lehilahy ity. Sady mandoto ny asam-panjakana sy ny manodidina izany ny raharaha tahaka izao. Izany indrindra no tokony hanentanana ny olona hanaraka ny ara-dalàna hatrany amin’ny fikirakirana ny anton-taratasy amin’ny seham-panjakana rehetra; tsy kely lalàna tokoa mantsy ny ratsy.
Fanilo Rarivoarilala
