SocialTatitra

Indonésie : Niharan’ny horororontany nahery vaika ny nosy Sumatra

aha ny tatitry ny USGS dia nisehoana horororontany nahery vaika nahatratra maridrefy 6,7 ny morontsiraka andrefan’ny nosy Sumatra ny alatsinainy 14 marsta teo nanodidina ny 4 ora sy 9 minitra tao an-toerana.Tao amin’ny 167 kilometatra tao andrefan’ny tanànan’i Pariaman no ivon’ny horohorontany ary nahatratra halalina 21 kilometatra izy raha ny voalazan’io toeram-pikarohana io. Naharitra iray minitra tamin’ny tanjany antoniny kosa io horohorontany io saingy ampy nanakorotana ny mponina sy nampiala azy tamin’ny toeram-ponenany izany.

Laisser un commentaire