Lasibatry ny jiolahy hatramin’ny biraom-panjakana
Lasa raharaham-pirenena isan’andro eto Madagasikara ny tsy fandriampahalemana. Mitombo hatrany ny tsy fandriampahalemana eto amin’izao fotoana, izay mitovy laharana amin’ny fahantrana. Mandrakotra ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ny fahantrana ary maro ny olona tsy mahazaka fakampanahy hahazoana vola mora foana ka mangalatra ny fananan’ny hafa. Anisan’ny olana iraisan’ny saranga rehetra izany amin’izao fotoana izao. Ahitana izany avokoa na amin’ireo Tanana lehibe na ny any ambanivohitra. Miatrika olana toy ny halatr’omby sy ny halatra madinidinika ny mponina. Manjaka eny amin’ny lalambe rehetra lavidavitrin’ny manampahefana eny ny dahalo ary manao fampihorohorohona mafy amin’ny mponina. Mbola tena anjakan’ny asan-dahalo ny eto Madagasikara manokana na eo aza ny paikady apetraky ny fanjakana amin’ny famongorana ny tsy fandriampahalemana. Tsy ny olon-tsotra ihany no iharan’izany fa hatramin’ireo biraom-panjakana maro samihafa aza ahitana mpanararaotra avokoa ankehitriny. Toerana nahitana izany ny tany Andasibe izay nandrobana biraom-panjakana. Ahiana ho anton’izany ny fiakaran’ny taham-pahantrana teto amin’ny nosy nandritra izay fotoana izay, indrindra hatramin’ny nisian’ny valanaretina coronavirus. Ireo fitaovana rehetra fampiasan’ny mpiasa ao amin’ny birao no halain’ny mpanararaotra amin’izany. Anisany amin’ireny ny solosaina maro isankarazany. Mila paikady maharitra sy lavitr’ezaka ny Malagasy mba hiadiana amin’ity tsy fandriampahalemana miely eto Madagasikara ity.
Fanilo Rarivoarilala
