SocialTsidika

Fifanomezan-tanana no tena ilaina manoloana ny loza voajanahary

Maina ny tany any Atsimo, miovaova ny andro eto afovoan-tany ary ora-mikija ny amin’iny faritra Antsinanana iny. Voajanahary anefa izany fa  ny fifanomezan-tananan’ny tsirairay no tena zava-dehibe indrindra. Nitrangana ora-mikija narahina tafio-drivotra mahery tampoka tao antampon-tanànan’i Manakara ny alatsinainy 29 martsa, nanomboka tamin’ny 05 ora sy 30 minitra hariva ka hatramin’ny 08 ora alina. Nandray andraikitra avy hatrany ireo zandary tao an-toerana izay notarihin’ny Kolonely kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Vatovavy-Fitovinany, izay nanao fitsirihana sy vonjy aina ifotony. Maro ireo trano rava tamin’izany. Betsaka ihany koa ireo traboina, ohatra ny tao Andranondaro sy Ambalakajaha-nord ary Tanambao. Niakatra ny rano amin’ireo toerana iva, toy ny Andranondaro. Nisy ny tetezana nahiana ho tapaka tao Andranomainty.  Maro ireo hazo nianjera manakan-dalana.  Tapaka ny jiro nanomboka tamin’ny 06 ora hariva noho ny fianjeran’ireo tsatoka mitondra ny herinaratra Jirama toy ny tao Andranovato/andrefana sy Andreana. Na izany aza anefa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy nandritra ny fisehoan’io loza voajanahary io. Nirohotra ifotony ireo zandary nanao ny fanampiana ireo vahoaka niharan’ny fahasimbam-pananana tao an-toerana niaraka tamin’ireo Miaramila avy ao amin’ny 2/UPC Manakara vao mangirandratsy ny faha 30 martsa. Zava-dehibe ny fifanampiana tahaka izao ary toy izay mihitsy no tena ilain’ny firenena mba hampandrosoana azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire