Voambolana : Ny fenitra ISO 26000
Ny fenitra ISO 26000 dia fenitra iraisam-pirenena napetrakin’ny ISO (Organisation internationale de normalisation) hametrahana toromarika momba ny fandraisan’andraikitry ny orinasa amin’ny fampandrosoana (RSE, Responsabilité Sociétale des Entreprises). Izany hoe mamaritra ny fomba tokony sy tsy maintsy ataon’ny orinasa amin’ny fampandrosoana maharitra izy io.
Ny 1 novambra 2010 no nivoaka ny fenitra ISO 26000. Nankatoavin’ny ankamaroan’ny firenena sy fikambanana mpikamban’ny ISO izy io ary lanin’ny maro an’isa tamin’ny 93 % ny vato. Firenena 99 isa no niara-niasa tamin’ny famolavolana io fenitra io saingy nisy ireo tsy nandany izany toan’i Etats-Unis, Cuba, Inde, Luxembourg ary Turquie.
Maro ny tanjon’ny fenitra ISO 26000, mitarika ireo orinasa amin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy ; manolotra rafitra mba ahafahana mandray andraikitra ara-tsosialy, mba hamantarana sy hifanakalozana hevitra amin’ireo mpandray anjara, mba hanomezana fifampitokisana ny fifandraisana momba ny andraikitra ara-tsosialy ; hampiroborobo ny vokatra azo; hanatsarana ny fifandraisana amin’ny mpanjifa amin’ny fampitomboana ny fahafaham-po sy ny fahatokisana…
