Iran : Olona 5 no efa nohelohina ho faty
Hisehoana fihetsiketsehana goavana ao Iran amin’izao fotoana. Efa nanomboka ny volana septambra teo io fihetsiketsehana io nohon’ny raharaha nahafaty an’i Mahsa Amini, tovovavy iraniaina 22 taona. Raha tsiahivina dia nosamborin’ny manam-pahefana misahana ny « mœurs » izy 3 andro talohan’ny nahafatesany noho ny fandikana ny fehezan-dalàna momba ny fitafiana silamo.
Maro ny olona efa nosamborin’ny manam-pahefan’i Iran nandritra io fihetsiketsehana io ary niroso tamin’ny fanamelohana ho faty izy ireo. Nanomboka ny alahady teo fanamelohana voalohany tao an-toerana. Olona iray no nohelohin’ny tribonalin’i Téhéran tamin’izany nohon’ny fandoroana tranom-panjakana, fanakorontanana ny filaminam-bahoaka ary famorim-bahoaka sy fikomiana manohitra ny filaminana nasionaly. Fantatra kosa fa olona 4 hafa indray no sedran’izany didy izany ny 15 sy ny 16 novambra teo.
