ActualitésTatitra

France : Festival ny sarimihetsika sy ny mozikan’ny horonan-tsary any Baule

Hotanterahana ny 23 hatramin’ny 27 Jona izao ny festival ny horonan-tsary sy ny mozikan’ny horonan-tsariy any Baule andrefan’i France. Ho amin’ity taona ity, hampiavaka ny fety ny fahatongavan’i mpilalao Soan hampahafantatra ny horonan-tsary « Le Petit Piaf » ka izy no mpilalao fototra amin’izany. Andiany fahafito ity hotontosaina amin’ity volana Jona ity ka miompana bebe kokoa amin’ny fifandraisan’ny horonan-tsary sy ny mozika ny fankalazana. Hahitana an’i Francois Berléand, Filoha sy i Alice Tagolioni izay mpilalao sarimihetsika sy Hugo Becker, mpilalao sy i Mélanie Bernier izay mpilalao ihany koa ary i Mathieu Gonet izay mpamoron-kira, ny eo amin’ny lafin’ny fitsarana mandritra izany. Isan’ny hifaninana amin’izany ny horonan-tsarimihetsika « Le petit Piaf » izay nahodina tao La Réunion nolalaovin’i Soan niaraka tamin’i Marc Lavoine sy Gérard Jugnot. Ity horonan-tsary ity dia mitanatara ny fiainan’i Nelson (Soan), 10 taona manonofy ho lasa mpihira ka nisoratra anarana tao amin’ny Star Kids izy. Nahita mpampianatra feo azy ny namany Mia mba hiomanany amin’ny fifaninana ka i Pierre Leroy (Marc Lavoine) no safidiny. Nifankahazo izy ireo ary nampifandraisin’ny fitiavana mihira.

Laisser un commentaire