ActualitésTatitra

Espagne : Olona maherin’ny 900 no nijoro vavolombelona fa niharan’ny « pédocriminalité »

Nanao tatitra ny fiangonana katolika tao Espagne ny fiandohan’ny volana teo fa olona 927 no nijoro vavolombelona tamin’izy ireo fa niharan’ny « pédocriminalité ». Tao am-piangonana ny 728 isa tamin’ireo raha ny fanazavan’ny pretra José Gabriel Vera Beorlegui, talen’ny serasera ny CEE (conférence épiscopale espagnole).

Nanamafy io pretra io fa hodiniana manokana ny 199 amin’ireo tranga ireo mba hanatontosana « processus pastoral » na « judiciaire ». Ny tranga ela indrindra tamin’ireo fijoroana vavolombelona 927 isa ireo kosa dia tamin’ny taona 1940 ary efa maty ny 63% n’ireo pretra voarohirohy amin’izany raharaha « pédocriminalité » izany. Lehilahy kosa 82,62% n’ireo niaran’ny herisetra raha vehivavy ny 17,38%.

Laisser un commentaire