ActualitésTatitra

Etats-Unis : Norarana tsy ho ao Russie ny mponina

Manoloana ny disadisa misy eo amin’i Washington sy Moscou noho ny raharaha mikasika an’i Ukraine dia nilaza tamin’ireo mponiny i Etats-Unis mba tsy hihazo an’i Russie. Manahy izy ireo sao hiaran’ny fanembatsembanana indrindra avy amin’ireo polisin’i Russie ireo teratanin’i Etats-Unis tonga ao an-toerana ireo.Eo ihany koa ny fiheveran’izy ireo fa hiharan’ny làlana ao an-toerana tsy ara-drariny ireo mponin’i Etats-Unis ao Russie ireo. Afaka miala ao miala ny firenena ao amin’ny masoivohon’i Kiev ihany koa ireo mponina mbola taraiky ao Russie. Niantso ireo terataniny ao Ukraine hiala ny fireneny haingana ihany kosa i Etats-Unis dieny mbola misy ny sidina sy ny fitaterana.

Laisser un commentaire