ActualitésTsidika

Soanierana Ivongo: Mpikirakira Facebook iray no notorian’ny JIRAMA

Tsy faly manoloana ny ranty nataon’i Ranarivelo Narcisse  avy ao amin’ny orinasa JIRAMA. Nametraka ahiahy momba ny orinasa JIRAMA noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika manoloana ireny haintrano nifanesy tao Soanierana Ivongo ireny ity lehilahy ity, anton’ny fitoriana. “Efa natao ny famotorana. Nomena fahafahana nody aloha i Ranarivelo Narcisse. Miandry ny fotoana manaraka hiantsoana azy indray” hoy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena ao Fenoarive Est. “Tsy faly manoloana ity fanehoan-kevitra ity ny talem-paritry ny JIRAMA. Nanome toromarika ny orina hametraka fitoriana izy” hoy i Felana, mponina any an-toerana. Rehefa vita ny famotorana ataon’ny zandary dia anjaran’ny fitsara indray ny mandray ny raharaha. Andrasana noho izany ny tohin’ity tantara ity.

Laisser un commentaire