ActualitésTsidika

Tandidomin-doza ny tontolo iainana noho ny fitrandrahana ny terres rares any Ambanja

Tsy mbola nivoaka ny fanapahan-kevitry ny fanjakana mikasika ny fitrandrahana ny terres rares kasain’ny orinasa iray tanterahana any Ambanja.

Herintaona izay no nisian’ny fihaonan’ny tompon’andraikitra avy amin’ny fanjakana foibe sy ny fiarahamonim-pirenena mpiaro ny tontolo iainana sy ny zon’olombelona izay solontenan’ireo vahoaka eny ifotony ary ireo mpiantsehatra eo amin’ny fizahan-tany any an-toerana. « Mbola mihazohazo ny fanjakana kanefa efa manam-pikasana hanao asa andrana ny orinasa izay hahazahoana terres rares marobe dia marobe kanefa araka ny maha andrana azy dia tsy tokony ho marobe tahaka izany no alaina, kanefa miteraka fahasimbana lehibe tokoa izany eto amin’ny firenena » hoy i Andriamanantenasoa Volahery, Talen’ny fandaharan’asa CRAAD-OI.

« Ny firenena hafa tsy manaiky ny hitrandrahana io terres rares io any aminy noho ny fahasimban’ny tontolo iainana mety ho aterany, koa nahoana isika eto Madagasikara no hanaiky ny hanaovana ziany ? » hoy ny avy ao amin’ny fiarahamonim-pirenena. « « Tandidomin-doza izahay manoloana izao andrana ataon’ny orinasa mpitrandraka indrindra ireo mpamboly izay velon-tebiteby manoloana ny ambana ratsy izao » hoy ireo mpiantsehatra amin’ny fizahantany.

Mitaky ny hampitsaharana izao fitrandrahana izao araka izany izy ireo izay manimba ny tontolo iainana sy manitsakitsaka ny zon’olombelona. Fampandrosoana lovain-jafy no tanjona. Aiza ny Ministeran’ny tontolo iainana manoloana izao tranga izao ? Nahoana tokoa moa no mahazo laka amin’ny fitrandrahana eto amintsika foana ny vahiny ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire