ActualitésTsidika

Andiam-balala: Efa voafehy tanteraka ny firongatry ny valala

Anisan’ny olana iray mandripaka sy mampihena ny vokatry ny fambolena ny firongatry ny valala. Efa manao ny ezaka hiarovana ireo mpamokatra ny tompon’andraikitra. « Tanjona ny tsy hisian’ny voly simban’ny andiam-balala. Afaka mitoky amin’izany isika mpamokatra » hoy ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy. “Tsy tokony hirongatra mihitsy ny valala amin’ity taona ity. Velaran-tany 20 000ha no voaaro amin’ny andiam-balala. Efa nisy ihany koa ny fitsirihana nahitana valala tamina velaran-tany 3000 ha” hoy i Mbuli Charles Boliko, solontena maharitry ny FAO eto Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles. “Andrasana ho tonga amin’ny dingana “laravaire” kosa ireo valala vao foy hita tao Manja Befandriana Avaratra vao hovonoina” hoy i Saïd Lagnaoui, manam-pahaizana eran-tany momba ny fitantanana ny ady amin’ny valala ao amin’ny FAO. Efa voafehy tanteraka noho izany ny mety ho firongatry ny andiam-balala eto amintsika. Efa nanome toky rahateo ny avy ao amin’ny Ministera.

Laisser un commentaire