Actualités

Etats-Unis : Niala tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Meta i Peter Thiel

Mpandraharaha i Peter Thiel, mpiara namorona ny PayPal niaraka tamin’ny Max Levchin sy Elon Musk izy ary anisan’ireo mpamatsy vola voalohan’ny Facebook. Nanomboka ny taona 2005 izy no mpikambana tao amin’io lehiben’ny tambajotra sosialy io saingy nanapa-kevitra ny niala ny alatsinainy teo.Anton’io fialany io, raha ny voalazan’ireo haino aman-jery ao Etats-Unis, ny faniriany hifantoka tanteraka amin’ny fanohanana ny fampielezan-kevitr’ireo hirotsaka ho fidiana mpomba an’i Donald Trump amin’ny fifidianana « mi-mandat ». Vinavinaina ho atao ny volana novambra izao moa io fifidianana io.Nankasitraka ny fiaraha-niasan’ireo lehilahy mpanefoefo io kosa i Mark Zuckerberg. « Natoky anay izy rehefa tsy nisy nanohana izahay, ary nampianatra ahy ny tontolon’ny fandraharahana sy ny tontolony ary ny toe-karena izy » hoy ity tompon’ny Meta ity.Anisan’ny efa nampiasan’i Peter Thiel vola ihany koa ny Airbnb, Affrim, Stripe ary ny SpaceX. Izy moa dia tena mpomba tanteraka ny filohan’i Etats-Unis teo aloha Donald Trump

Laisser un commentaire