SocialTatitra

Etats-Unis : Zatovo iray voaheloka 100 taona an-tranomaizina

Nohelohina am-ponja 100 taona ao amin’ny fonjan’i Indiana i Nickalas Kedrowitz, 17 taona, ny herinandro lasa teo. Namono nanempotra ny zandriny lahy roa taona sy ny zandriny vavy 11 volana ny taona 2017 teo ity tovolahy ity.13 taona izany i Nickalas Kedrowitz tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nihaiky heloka izy ary nanazava izy fa « nosemporiny mba ho lavitr’izao helo izao » ireo zandriny ireo.Nanazava ny reniny, Christina McCartney fa mety fiarovana zandriny amin’ny fihetsiky ny ray keliny diso tafahoatra no hevitr’io teny nataon’i Nickalas Kedrowitz io. Nampijaly ireo zaza ireo mantsy io ray keliny io, hidiny ao anaty efitra izy mba hampanginany azy, ka tsy zakan’i Nickalas Kedrowitz, hoy ny reniny, izay tsy nahalala ny zava-nisy.

Laisser un commentaire