Manomboka mahazo vahana ny Covid-19.
Fahavalo iraisam-pirenena ny coronavirus ary iaraha-mahita sy iainana ny voka-dratsiny. Namoizana ain’olona an-tapitrisany maro manerantany io aretina io. Efa an-jatony kosa raha ny teto Madagasikara. Manimba ary mamotika ny fihariana ara-toe-karena ny fisian’ny valanaretina coronavirus indrindra raha miditra amin’ny fihibohana indray isika eto Madagasikara. Nahitana fiakarana indray manko ny tahan’ireo mararin’ny Covid-19 tato ho ato. 126 ny isan’ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina ny sabotsy 13 martsa lasa teo. Hiverina araka izany ny fanambarana ireo antotan’isa tsara ho fantatra mahakasika ny fihanaky ny valanaretina coronavirus. Arahina manomboka ny Alatsinainy 15 martsa isan’andro ao amin’ny fahitalavitra TVM isaky ny amin’ny 01 ora tolakandro izany. Hanao ahoana no mety ho fivoaran’ny toe-draharaha ? Tsy hipetra-potsiny anefa ny fanjakana manoloana izany indrindra ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihin’i Professeur Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Nanao fanambarana ofisialy ny tenany amin’ny fanentanana sy fampirisihana ny tsirairay ampihatra ny hetsika sakana sy hiaro-tena hiadiana amin’ny fiparitahan’io Covid-19 io. Io ihany no vahaolana tsy hirosoan’i Madagasikara amin’ny fihibohana araka ny voalazany ka aoka hiaro ny tenany sy hiaro ny fahasalaman’ny hafa avokoa ny tsirairay. Efa vonona handray an-tanana ireo marary ihany koa ny CHU Anosiala. Nidina nijery ny zava-misy teny an-toerana ny ekipa avy amin’ny Fitaleavana misahana ny serasera (DirCom) eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny zoma 12 martsa 2021 lasa teo. Efa ho herintaona tokoa izao ny nahitana ny trangan’ity aretina ity teto amintsika izay nidirantsika avy hatrany tamin’ny fihibohana. Dia sanatria mbola hiverina ve ny toy ireny? Inona no fepetra maharitra hisorohana izany ? Hahomby ve ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana nambaran’ny Minisitra?
Nicole Rafalimananjara
