Hanomana tanora hiasa ny Ministra mpiahy
Isan’ny olana ho an’ireo tanora amin’izao ny tsy fisian’ny asa na ny tsy fahampian’ny fahaiza-manao amin’ny asa iray. Tanjon’ny Ministra vaovao misahana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rahantanirina Vavitsara Gabriella ny hanome as any tanora aorian’ny fahazoana diplaoma.
« Apetraka ho laharam-pahamehana ny fanofanana arakasa ny ny tanora hatrany amin’ny faritra rehetra mba hanomezana as any tanora aoriann’y fahazoan’izy ireo ny diplaoma » hoy ity Ministra ity. « Tokony hisy mihitsy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera sy ireo sehatra tsy miankina mba handraisan’izy ireo mpiasa dia ireo mpianatra nahavita Diplaoma izany » hoy i Raphael, Raim-pianakaviana. « Rehefa vita ny fianarana dia zara raha mahita asa na raha mahita dia tsy mifanaraka akory amin’ny mari-pahaizana fa sitrany ahay vaza-mihetsika dia atao foana, izany no tena olanay tanora rehefa vita fianarana » hoy i Erica, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.
Antenaina fa hitondra vahaolana ho azy ireo ity Ministra ity ary indrindra hotanteraka tokoa ilay fampanantenaina nomen’ny Filoham-pirenena fa tanora 300 000 no homena asa.
Nicole Rafalimananjara
