ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitohy hatrany ny Tsena Mora 

Nisitraka ny tsena mora indray ny Fokontany Manazary sy ny manodidina. Notontosaina ny Talata 05 aprily 2022 lasa teo izany. « Nilamina tsraa ny fanatanterahana ny tsena mora teto Manazary.ifaina nanaraka hatrany ny fandaminana ny mponina. Mbola hitohy amin’ny Fokontany hafa ny hetsika » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

« Jifaina 1 000 Ar ny iray kilao amin’ny vary, ary ferana ho 5 kilao isan-tokantrano. Ny menaka kosa dia 5 000 Ar ny litatra » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana.

Manentana hatrany ny mpanjifa mba hanaja ny fandaminana hapetraky ny tompon’andraikitra eny an-toerana, indrindra ny fanaovana arotava. Mamaha ny olan’ny mponina tokoa ity varotra ity manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire