ActualitésTatitra

Angleterre : Nahalafo raki-kira naherin’ny 40 tapitrisa i Peter Gabriel

Mpamokatra, mpanoratra, mpandika hira ary mpamokatra rakikira i Peter Gabriel. Teraka ny 13 feroary 1950 tao Chobham, Surrey ny tenany. Mpihira ihany koa nefa izy ary mahay mitendry zava-maneno maro toy ny « piano, claviers, percussions, batterie » ary sodina.

Ny fiaraha-namorona ny tarika Genesis, mpanao « rock progressif » tamin’ny taona 1967 sy ny fihirana ary fanoratana ny hiran’izany tarika izany no anisany tena nampalaza azy. Efa niala io tarika io moa ny tenany tamin’ny taona 1975 ary nosoloin’ny mpively amponga maro anaka Phil Collins.

Nanomboka teo izy no nandeha nitokana ary tena nahomby tanteraka. Nahavita namarotra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny rakikirany « So » izy tamin’ny taona 1986. Efa mahatratra 40 tapitrisa mahery kosa ny rakikira lafon’i Peter Gabriel nandritra ny fandehanany irery teo amin’ny tontolon’ny kanto. Marihana fa manana ny mpamokatra rakikirany manokana (label) antsoina hoe « Real World » izy.

Laisser un commentaire