Anjeva : Mpianatra miisa 400 notolorana fitaovam-pianarana
Ny talata 22 novambra lasa teo no nanatanterahana ny hetsika ara-tsosialy, izay endrika fiaraha-miasan’ny kaominina Anjeva Gara amin’ny Rotary club international sy ireo fikambanana avy any ivelany sy avy eto an-toerana. Nandritra izany no nanolorana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra 400 isa ao anatin’ny ZAP Anjeva gara sy fanolorana solomaso 300 isa ho an’ny CSB II ao an-toerana, izay hozaraina ho an’ireo olona sahirana mila izany aorian’ny fitiliana, araka ny voalaza.
« Natao indrindra izao hetsika izao mba hanamaivanana ireo ray aman-dreny amin’ny fidiran’ny mpianatra sy ho fitsinjovana ireo sahirana ao anatin’ny kaominina. Hisaorana feno ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fiaraha-miasa hatrany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
Isaorana feno ny ben’ny tanàna amin’ny fanatanterahana ny hetsika fanasoavana ny vahaoaka. Tena faly ireo ankizy, faly ireo ray amandreny fa mahatsapa ho misy mpiahy sy mahatsiaro mandrakariva » hoy i Nirina, ray amandrenin’ny mpianatra.
Ireo EPP dimy mandrafitra ny ZAP ao amin’ny kaominina Anjeva Gara, nahazo izao fanomezana izao moa dia ny EPP Anjeva tanàna, EPP Ambohidrazana, EPP Ampahimasina, EPP Manohisoa, EPP Imaola Vohitsara ary ny sekoly katolika St Joseph Anjeva, izay nisolo tena ireo sekoly tsy miankina.
Manitra Ramanantsoa
