ActualitésTsidika

CFP Belanitra : Handray anjara amin’ny hetsika fampirantiana ho an’ny mpandraharaha Malagasy ao Ankadikely

Handray anjara mandritra ny hetsika fampirantiana ao Ankadikely Ilafy ny CFP Belanitra. Ho fantantsika bebe kokoa mandritra io fotoana io ny mikasiak ity ivon-toeram-pampiofanana iray ity.

Marihina fa ny 10 jona izao no hanaovana ny hetsika fampiratiana ao amin’ny kianja Ankadikely. « Ho hampahafantarina mandritra io fotoana io ireo fiofanana misy rehetra ato. Hisy ihany koa ny santionan’ireo asa-tanana nataon’ireo mpiofana mandritra izany. Ao amin’ny tranoeva laharana 12 no misy anay » hoy ny avy ao amin’ny CFP Belanitra. « Ho entina hanohanana ireo mpandraharaha Malagasy ity hetsika ho atao ny 10 jona ity. Manantena antsika Malagasy rehetra ho tonga maro hanohana ireo mpandraharaha ireo » hoy ny mpikarakara. Betsaka ny mpandraharaha, indrindra amin’ny sehatry ny asa tanana, no ho tonga mandritra io fotoana io.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire