Fitaterana : Ny kalitaon’ny solika ampiasaina eto Madagasikara no mampihemotra ny fanafarana ireo « bus modernes »
Olana eo amin’ny solika ampiasaian eto Madagasikara no mbola tsy mahatonga ilay fiara fitateram-bahoaka « modernes ». Raha tsiahiviana dia tokony efa ny taona 2022 no nanafarana izany fiara izany saingy mbola tsy tonga izy ireo hatramin’izao. Tsy mionona amin’izany anefa ny fitondram-panjakana fa miditra amin’ny fikarohana vahaolana hafa ahafahana mampiditra ireo fiara ireo.
« Ny solika no olana noho ny kalitaony izay tsy mety amin’ireo fiara izay efa saika nafarana. Ankehitriny dia efa mikaroka vahaolana amin’izany izahay ka mijery ireo fiara izay mety ampiasaina eto Madagasikara. Fiaraka manaraka ny filàna sy ny fitaovana rehetra hampiasaina eto an-toerana, izany hoe motera izay mifanaraka amin’ny souffre ao anatin’ny solika misy eto Madagsikara », hoy i Rolland Ranjatoleina, Minisitry ny Fitaterana sy ny toetr’andro.
« Misy zavatra mampihomehy ihany ny zava-misy indraindray. Samy mahafantatra izany fa ratsy ilay kalitaon’ny solika dia tsy iny ve no hatao izay hanatsarana azy hahafahana miaro fitaovana betsaka kokoa toy izay hoe hikaroka fiara manana motera mifanaraka amin’ny kalitaon’ny solika. Amiko matoa ny firenena hafa manana solika mifanaraka amin’izany moteur izany dia azon’ny Malagasy atao tsara ny mampihatra izany satria tombony ho an’ny be sy ny maro ilay izy », hoy i Rayan, mpandraharaha amin’ny sehatry ny fitaterana.
Hatreto dia mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana amin’ny fanafarana ireo fiara ireo. Ireo coopératives ihany koa etsy andaniny dia mbola maro ireo tsy dia mankasitraka izany fanafarana izany noho izy lafo loatra na dia handoa ny antsasa-bidiny aza ny fitondram-panjakana. Inona ihany ary izany no vahaolana arosonao raha ny manodidina ny fitaterana eto Madagasikara ?
Miora Raharisolo
