Foto-drafitr’asa : Efa miverina amin’ny laoniny ny lalana eo Maromandia amin’ny RNP6
Dépêche 09 février, 13h, Nahitana fahasimbana betsaka ny lalana mampitohy an’ny Antsohihy sy Ambanja, izany hoe ny teo amin’ny RNP6 noho ny fangalaran’ny olona ireo « buse » izay napetraka. Teo amin’ny PK372 eo Maromandia no tena niteraka ny fahatapahan’ny lalana ka efa niverina amin’ny laoniny izany ankehitriny. Nihotsaka ny lalana vokatry ny fahaverezan’ny « buses » sy ny rotsak’orana betsaka loatra. Efa miverina main’ny laoniny izany nakhitriny ka efa mandeha ny fifamoivoizana eny an-toerana.
