Fahaiza-mitantana: Tafiakatra amin’ny dingana famaranana amin’ny Young African Leadership Awards 2023 i Madagasikara
Dépêche 01 mars, 13h, Tafiakatra amin’ny dingana famaranana amin’ny Young African Leadership Awards 2023 i Jimmy Ranitratsilo izay avy ao amin’ny Antoko Politika AnDaoNama hampandresy isika (ADN) izay solontenan’ny Madagasikara. “Tsotra ny tanjoko, misolo tena ny fanovana amin’ny alalan’ny sosialy sy ny fitantanana tsara, mandrisika ny tanora hihetsika ho amin’ny fampandrosoana haingana sy maharitra”, hoy izy. Hahafahany mandresy amin’izany dia mila ny fanohanan’ny Malagasy tsirairay izy amin’ny alalan’ny fifidianana azy amin’ny tranonkalan’ny Young African Leadership Awards 2023.
