ActualitésTatitra

Maurice : Nandray fepetra manoloana ny vidin’ny simenitra ny fanjakana

Niakatra hatramin’ny 20% ny vidin’ny simenitra tao amin’ny nosy Maurice tamin’ny taona 2021 sy 2022 nihatrehana ny covid-19. Mbola mikasa ny hampihakatra ny sandan’izany 10% nefa ireo orinasa mpanamboatra izany afaka andro vitsivitsy.

Tsy azo ekena nefa izany, raha ny fanazavan’ny minisiteran’ny varotra ao an-toerana. Manoloana izany dia manapa-kevitra ny hanafoana ny fahalalahan’ny mpandraharaha amin’ny fametrahana ny vidin’entana izy ireo. Mariina fa orinasa roa no tena mifehy ny sehatry ny famokarana simenitra ao Maurice : ny orinasa frantsay Lafarge sy ny orinasa Kolos, ao amin’ny nosy, ka notsarain’ny ministera ho « monopolisation » izany.1

Nilaza ireo tompon’andraikitra noho izany fa ny « State Trading Corporation » dia mpanafatra entana ny fanjakana dia hitodika amin’ny firenena hafa mba hifandanjan’ny fifaninanana sy hahazoana vidiny tsara kokoa.

Laisser un commentaire