Foto-drafitr’asa: Efa tafiditra anatin’ny volavolan-dalàna ny teti-bola ilaina amin’ny fanarenana ny lalana
Dépêche 01 mars, 12h, Olana lehibe amin’ny tsy fandrosoan’ny Madagasikara ny mahakasika ny fahasimban’ny lalana amin’izao fotoana izao. Asa laharam-pahamehana ny fanarenana ny lalana rehetra manerana ny Nosy ka araka izany dia efa tafiditra anatin’ny volavolan-dalàna ny teti-bolan’ny fanarenana ireny lalana rehetra ireny. Araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena hatrany dia amin’ity herinandro ity izany hoe anio mandritra ny filan-kevitry ny Minisitra no hamoahana ny programan’asa rehetra amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena sy ny lalana amin’ny Renivohi-paritany tsirairay.
