Famokarana: Nandrotsahana zanatrondro ny rano ao Tsiazompaniry
Dépêche 12 décembre, 15h30, Zanatrondro miisa 5000 teo ho eo no narotsaka tao amin’ny renirano Tsiazompaniry ary harato manaraka ny fenitra ihany koa ireo mpanjono. Hampiroboroboana ity sehatr’asa ity mihitsy no nanaovana izay tokony hampiakatra ihany koa ny fidiram-bolan’ny mponina. Nasaina manokana ireo mpanjono ary nampahafantarina ireo izay mbola tsy nahalala fa misy ny fotoana tsy azo hanjonoana fa fotoanan’ny fitomboan’ny trondro ka izay indrindra no nanentanana ny mponina sy ireo mpisehatra hanaja io fotoana io. Ny trondro, izay sakafo mitondra soa betsaka ho an’ny vatana ka mitombo ny filàn’ny mponina amin’izany izay tsy maintsy hampitomboana ny famokarana.
