ActualitésTatitra

Espagne : Mpifindra-monina am-polony no nitsoaka rehefa voatery nipetraka an-tanety ny fiaramanidina nitondra azy ireo

Fiaramanidina nampitohy an’i Casablanca sy Istanbul no voatery nipetraka an-tanety vonjimaika tao Espagne rehefa nisy vehivavy nitondra vohoka iray vaky ranon-doha tao anatiny. Mpamonjy voina sy manam-pahefana maromaro no tonga tao amin’ny seranan’i El Part, tao Barcelone manoloana izany nandrindra ireo mpandeha.

Rehefa tafapetraka nefa ny fiaramanidina dia mpifindra monina manodidina ny 27 no nikasa nitsoaka. Niverina tao amin’ny fiaramanidina ny 5 tamin’ireo rehefa nifanehatra tamin’ny manam-pahefana raha nosamborina kosa ny 9. Tafiditra ao anatin’ireo sivy ireo ilay vehivavy nitondra vohoka izay fantatra fa tsy saika teraka akory. Nosamborina noho ny fanakorontanana ny fanakorontanana ny filaminam-bahoaka ny tenany taorian’izany.

Efa mikaroka ireo mpandeha hafa tafatsoaka ny manam-pahefana ao an-toerana amin’izao fotoana. Marihana fa tsy voalohany io tranga io, tamin’ny volana novambra 2021 ihany koa dia lehilahy iray no nanao sary torana saingy rehefa tafapetraka ny fiaramanidina dia mpandeha 21 isa no nitsoaka.

Laisser un commentaire