SocialTatitra

Nigéria : Mbola mitohy ny tranga fakana an-keriny ireo mpianatra.

Mpampianatra 3 indray no nisy an-keriny tao amina toeram-pianarana iray tao Rema, Nigéria ny alatsinainy 15 martsa, tokony ho tamin’ny 08H50 teo ho eo hoy ny mpikambana ao amin’ny governemantan’I Kaduna. Mbola nisy mpianatra sy mpiasa hafa ihany koa saingy tsy mbola fantatra mazava ny isan’izy ireo hoy ny fanambarana an-tsoratra voarain’ny AFP io andro io. Fakana an-keriny faha enina tao Nigéria ity niseho tao Rema ity. Ny sekoly no tena lasibatr’izany tato ato. Ny mbola mampanontany tena ny maro amin’izao fotoana kosa, ahoana no ahavitan’ny manam-pahefana ao an-toerana mifampiraharaha amin’ireo mpaka an-keriny. Raha misy voasambotra mantsy, manodidina ny 5 andro ihany no hitazonan’ireo mpanao ratsy azy. Afaka madiodio izy ireo aorian’izay. Mbola andrasana indray arak’izany izay ho ataon’ireo manam-pahefana manoloana ity raharaha fakana an-keriny vaovao ity.

Laisser un commentaire