Somalie : Tonga ao an-toerana ny vaksiny Covax.
Tonga tao Somalie ny alin’ny alatsinainy 15 martsa teo ny vaksiny covax miisa 300 000. Efa afaka hanomboka ny fanaovam-baksiny tsy ho ela ny ao an-toerana. Ity no levim-patra voalohany indrindra nanitsaka ny tany somaliana raha araka ny nambaran’ny governemanta ao an-toerana. Teo amin’ny seranam-piaramanidin’I Mogadiscio no nandraisana ireo vaksiny ireo. Efa nisy olona voatokana nikarakaraka ny fandraisana azy ireo hoy ny governemanta. Nanambara ny minisitry ny fahasalamana ao an-toerana fa manana ny hoenti-manana rehetra hanatanterahana ny fanaovam-baksiny I Somalie. Niakatra ho 77% ny tahan’ireo olona mitondra ny tsimonkaretina covid-19 ao an-toerana tamin’ny volana febroary lasa teo. Miisa 9 190 kosa ireo voamarina ary tafakatra ho 367 ny isan’ireo maty tao anatin’ny 2 volana latsaka izao. Manentana ireo mponina ny amin’ny hanaovana ny vaksiny arak’izany ny minisitry ny fahasalamana ao Somalie.
